RANARISON Tsilavo Fangejana ny fananana tsy ara-dalàna : iza sy iza...

Fangejana ny fananana tsy ara-dalàna : iza sy iza avy indray no tsy ho afa-bela amin’ny fampiharana an’io fepetra io ? Lagazette DGI du 2 juillet 2019

-

Nivoaka ny zoma hariva lasa teo, nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra ilay didy hitsivolana  manipika ny fangejana ny harena sy fananana ary vola azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (recouvrement des avoirs illicites). Efa voafaritra ao anatin’io didy hitsivolana io moa ny antsoina hoe “harena na vola na fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna”, toy ny vokatry ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, ny kolikoly, ny vola azo tamin’ny raharaha fampihorohoroana, sy ny manodidina izany rehetra izany.

Voalaza ao anatin’io didy hitsivolana io koa ny rafitra hisahana ny fangejana izany harena tsy ara-dalàna izany (Agence d’executer les ordres de recouvrement des biens mal acquis). Tsy natao hangeja ihany izy io fa nampisahanina koa ny fitantanana sy ny fitehirizana ary ny fandefasana azy any amin’izay manana ny zo hisitraka azy, toy ny fanjakana. Voalaza mantsy fa sokajiana ho fananam-panjakana avy hatrany ireny vola na harena tsy ara-dalàna ireny.

Ny ankamaroan’ny olom-pirenena aloha dia nanome ny fankasitrahany tamin’ny fivoahan’io didy hitsivolana io, ary herinandro mahery lasa aza izay dia notaterina teto ny fitakian’ny Firaisamonim-pirenena ny hamoahana an’io didy hitsivolana io fa tsy hiandrasana ny fijoroan’ny Antrenimierampirenena vaovao. Dia io izy nivoaka teo anivon’ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra io.

Ny ahiahin’ny firaisa-monim-pirenena aloha tamin’io fanambarana nivoaka nentin’izy ireo nitaky ny famoahana an’io lalàna famongorana ny kolikoly io dia ny fihenan’ny vola hoenti-miasa momba izany, indrindra raha mitaha amin’ny rafitra hafa.

Fa ny tena baraingo mipetraka amin’izao fotoana koa dia ny hoe “iza sy iza avy indray no tsy ho afa-bela amin’ny fampiharana an’io fepetra io ?”

Raha ny marina aloha dia tsy zava-baovao izany fangejana ny harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna izany satria ny fihetsika rehetra voafaritra fa natao ka mety ho nahazoana izany harena na vola tsy ara-dalàna izany dia efa voafaritry ny fehezan-dalàna famaizana avokoa fa “heloka sazian’ny fehezan-dalàna famaizana” na “infraction pénale”. Raha nanodinkodim-bolam-panjakana na volan’ny vondrom-barotra iray ianao dia heloka mahavoasazy izay. Raha manao kolikoly ianao na hosoka na fisolokiana dia heloka mahavoasazy. Raha mifandray tendro amin’ny mpampihorohoro koa dia tsy avelan’ny lalàna famaizana ho afa-bela. Noho izany, ny fomba fampiharana an’izany fehezan-dalàna momba ny ady heloka izany no mety ho tsy ampy na somary goragora ka noeritreretin’ny mpampanjana-bola iraisam-pirenena fa tsara raha hamafisina ny rijan-teny sy ny rafitra ary ny fepetra famaizana an’izay manana vola na fananana na harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, dia io izy nasaina namoaka lalàna io, ka didy hitsivolana no endrika isehoany izao aloha.

Etsy ankilany, manitikitika ny sain’ny maro koa ny hoe “dia tena ho hentitra ve izany ny ho fampiharana an’io lalàna io?” Izany hoe “tsy hisy ve ny fiarovan’ny mitana ny fahefana ara-panjakana na ny manana ny fahefana ara-bola ny namany sy ny akaiky azy raha voafaritra ho isan’ny olona manana vola na harena na fananana tsy ara-dalàna ?”

Mahakely finoana ny maro mantsy ny fisehon’ny raharaha sasantsasany eto satria mba maro ihany ny olona hitan’ny fiaraha-monina fa tena mpanao kolikoly gaigilahy na gaigivavy, voasokajy ho kolikoly avo lenta, fa izay tsy mpiray petsapetsa amin’ny mitana ny fahefana ara-panjakana sy ny mitana ny fahefana ara-bola ihany no lena ka voasambotra fa ny akaiky ny manam-pahefana dia mangatsiatsiaka sy milamindamina avokoa, tsy manana ahiahy.

Raha ny marina aloha, raha izany harena na vola na fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna izany no tena hotrandrahina eto dia maro ny tsy ho afa-bela. Raha voasokajy ho heloka tsotra izy ireny dia azo enjehina hatrany ao anatin’ny telo (3) taona ary raha isan’ny harembe mihoa-pampana ka voasokajy ho heloka bevava dia mandritra ny 10 taona no azo anenjehana azy.

Etsy andaniny, na oviana na oviana koa nanaovan’izay mety ho voarohirohy amin’ireny heloka ireny ka misy tranga vaovao (faits nouveaux), hoy ny lalàna, dia azo atao hatrany ny mikitika ny raharaha.

Ny ahian’ny maro koa izao dia hoe hihatra amin’io didy hitsivolana io koa ve sa tsia ny foto-kevitra iray eo amin’ny fampiharana ny lalàna, dia ilay milaza fa “ny lalàna iray dia tsy azo ampiharina amin’ny tranga niseho talohan’ny nivoahan’ilay lalàna ho manan-kery” na ny “principe de la non retroactivité de la loi”?

Raha izay no mitranga dia tsy misy azo enjehina amin’io lalàna io izany izay olona hita fototra fa manana harena na vola azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna talohan’ny nivoahan’io hitsivolana io. Izany hoe raha nisy mpitondra ambony amin’ny fitondrana ankehitriny nangalatra na nanodinkodina volam-panjakana tamin’ny alakamisy dia tsy azo ampiharina aminy io fangejana avy hatrany ny fananana na harena na vola tsy ara-dalàna io fa tsy maintsy ny lalàna momba ny ady heloka hatrizay ihany no miandry azy, raha tena hisy fanenjehana azy.

Ankoatra izany, raha tena ny rariny sy ny hitsiny no ifotorana, aoka hazava ny resaka, fa ny mpitondra fanjakana rehetra nifandimby teto, na filoha na praiminisitra na minisitra na tale jeneraly na tale na tonian’ny sampan-draharaha, sy ny sisa, dia nahazo vola na manana harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna avokoa; Sao ianao mihevitra fa ny resaka “10%” na “20%” amin’ny fanomezana tsenam-baro-panjakana (marché public) nisy teto hatramin’ny Repoblika voalohany ka mandrak’ankehitriny dia tsy isan’ny harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Aza diso fandray isika ka hoe “ny harena azo tamin’ny fanondranana antsokosoko, andramena na volamena sy vatosoa saro-bidy teto, izay na naondrana mivantana na nitsikombakombana tamin’ny vahiny… dia tsy isan’ny harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Ianao mpamaky afaka manohy ny fitanisana”.

Ka tsorina ny resaka. Ampiharo haingana io lalàna tamin’ny alalan’ny hitsivolana io dia hifampitazana eto ianareo tompon’andraikitra sy ny vahoaka, ka raha sanatriavin’ny vava misy voasokajy ho “tany avo avaratra” na hoe “satria akaiky ny mpitondra dia tsy kitihina”, izany hoe “tsy maty manota”, dia ialana tsiny fa tsy maintsy ho avy amin’ny angady sy ny harona isika.

Marihina mantsy fa tsy voatery hisy didim-pitsarana amin’ity raharaha iray ity fa raha vao misy alalana (ordre) maniraka an’ilay rafitra (agence) manatantetaka ny fangejana ilay vola na fananana dia ampiharina ny fepetra takian’izany. Izany hoe mety azo anaovana famakafakana ihany amin’ny foto-kevitry ny antsoina hoe “fanjakana na tany tan-dalàna” izany, ary mety hiseho koa amin’ny fanamparam-pahefana.

Ekena fa vonjimaika ihany ilay fangejana, hoy ity hitsivolana ity. Izany hoe azo irosoana ny fangejana sy fitehirizana (confiscation) alohan’ny hirosoana amin’ny fitsarana ny raharaha ka raha marim-pototra ny maha-heloka azy dia mihatra ny fangejana sy ny fandefasana ilay fananana any amin’ny rafi-panjakana fa raha tsy hitan’ny fitsarana fototra ny maha-heloka azy dia averina amin’ilay olona ny fananany.

Sarotra anefa ny tena hamaritana izany amin’ny tena lalàna sy ny rariny satria mbola tsy azo eritreretina eto ny hoe olona mitana andraikitra ambony ara-panjakana amperin’asa ve dia ho azonao amin’izany raha tsy efa mivadika ny rasa ?

Ralay

Latest news

- Advertisement -

L’après Pape, Retour aux réalités quotidiennes sur la corruption endémique ou la culture de l’exclusion dénoncées par le souverain pontife – Expressmada du 10...

Concrétisation Outre les bonnes pratiques, d’aucuns s’attendent à voir des changements drastiques dans la gouvernance, suite au message du Saint-Père,...

Le pape François appelle les autorités malgaches “à lutter avec force contre la corruption et la spéculation”- La croix du 9 septembre 2019

Texte original italien dans l’Osservatore Romano du 8 septembre 2019 (*) Le 7 septembre 2019, le pape François est arrivé sur l’île de...

Must read

- Advertisement -

You might also likeRELATED
Recommended to you